| Text |
8 | LAPAN’ NY TANANAN’ ANTANANARIVO | HOTEL DE VILLE D' ANTANANARIVO
9 (Traduction libre sans rime) |
|---|
| Enin’ambitelopolo taona raha ny marina ka mba tsahivo | 36 années déjà, il est bon de s’en souvenir | | Tam’izay no kila sy may ‘lay Lapan’Antananarivo | C’est à cette époque qu’un incendie ravagea l’Hôtel de ville | | Ory ny fon’ny Vahoaka nahita an’ireo donan-tsetroka | Les colonnes de fumée attristèrent le cœur du peuple | | Any anatiny mangorohoro, te hitraotra ary koa semposempotra | Envahi d’une rage contenue, au bord de l’asphyxie | | Vetsovetson’ny fo tam’izay no sisa reko tey : | Se demandant, dès lors, dans de profonds soupirs : | | « Rahoviana vao mba hisy indray izay Lapa ho solon’ity ? ». | « Quand donc cette bâtisse renaîtra-t-elle de ses cendres ? ». | | Kinanjo fe ankehitriny, tsy nisy izay nanelingelina | Et soudain, à présent, alors que nul ne s’y attendait | | Nijoro ‘lay ANDRIN’Iarivo, nitsangana ilay RAJOELINA | Le PILIER d’Antananarivo se dresse, le nommé RAJOELINA monte au créneau | | Nampian’ireo mpanolotsaina, nitafy ny Fanantenana | Epaulé de ses conseillers, tous revêtus de l’Espoir | | Hanorina ilay vaovao, ho Lapan’izato Tanàna. | Dans le but de reconstruire un nouvel Hôtel de ville. | | Dia Lapan-Tanàna mijoro, voakajy sy manara-penitra | Un hôtel de ville nouveau, aménagé pour répondre aux normes | | Manaraka ny toetr’andro no tsara tarehy sady mendrika | Correspondant aux technologies de ce troisième Millénaire | | Ny asa rehetra avy ao dia ho fanasoavam-Bahoaka | Destinées à améliorer le vécu au quotidien du peuple | | Hitana ny marina hatrany, ho lavitr’izay « Ampamoaka » | Ayant pour fer de lance la Vérité, loin de toute démagogie | | Dia ho Lapan-Tanàna anehoana ny marina miharihary | Un hôtel de ville, comparable à la Vérité sortant du puits | | Ka ny fomba fiasa imasoana dia « Asa fa tsy mba Kabary ». | Avec pour unique leitmotiv : acta non verba | | Ny toerana hasiana aza indray no aoka asiam-pitenenana | Parlons à présent du lieu de cette reconstruction : | | Ka tena Kianja mitandro an’ilay Fandriampahalemana | C’est un endroit privilégiant la Paix avec un grand « P » | | Tsy Kianjan’ny Ramatahora na fidinana an-dalambe | Pas une place de la répression ni celle des descentes dans la rue | | Fa Kianjan’ny Fifankatiavana, ary izany no atao rehareha | Mais une Place de l’Amour, pilier de notre fierté | | Dia Kianjan’ny Firaisankina : ekena tsy misy fandavana | Une Place de l’Unité, de l’Union sans commentaire aucun | | Satria Malagasy miray tsy misy mifanavangavana. | Parce que les Malagasy ne font qu’un sans nulle distinction. | | Ka raha Teloambinifolon’ny Mey no lavenona ilay teo aloha | Si un 13 Mai, l’ancien hôtel de ville a disparu dans des flammes | | Dia Teloambinifolon’ny Mey no hajoro ialy Faharoa | Ce sera un 13 mai que le second renaîtra de ses cendres
10 (Nota : cette pose avait été reportée pour le 17) | | Ka ny Dinian’ny mpifankatia no Dina ifanaovana anio | Aujourd’hui, c’est un serment de l’Amour que nous faisons ici | | Tsy ho fihatsarambelatsihy fa tena amin’ny fo madio | Exempt d’hypocrisie mais venant du plus profond du cœur | | Ny tanjona hany hotratrarina no sady hiaraha-mitazana | L’objectif que nous ne perdrons jamais de vue, et que nous atteindrons | | Dia ny hasin’Antananarivo Renivohitr’ity Tanindrazana | C’est de redorer le blason d’Antananarivo, Capitale de notre Mère Patrie | | Andriamanitra Ray ao ambony anie hitahy an’ity fikasana | Que Dieu le Père qui est aux Cieux bénisse ce projet | | Hamita ary koa hampijoro ny Lapan’izato Tanàna ! | Et que ce nouvel Hôtel de ville puisse réellement être érigé ! | | Rado, 10 Mey 2008 | Jeannot Ramambazafy, 18 mai 2008 |
|---|
| La Gazette de la Grande Ile, 1 décembre 2008 |
|